ReePrime
Willah - Ho ahy (Dô Rajohnson)

Hosted by Dailymotion. For legal issues report at the Copyright Center, report us on DMC, or use the Instant Removal tool.

Willah - Ho ahy (Dô Rajohnson)

â
♫ndr♫in♫

138 Views • Jan 18, 2009

Description

HO AHY

Efa lalim-paka ato am-poko ilay fitia
Ka aza avelanao hangaina irery
Fa raha toa ianao no mbola miahiahy
Ny hivadika aminao sanatria

FIV :
HO TSAPANAO FA TIAKO IANAO
TIAKO IANAO ARY HO DORIA
TSY HIFANDAO TSY HO KILALAO
TIAKO IANAO KOA DIA MATOKIA

Ilay ora sy fotoana izay tsy ahitako anao
Tsaroako ho very an-tany efitra aho
‘Reo hira kalokalo izay fanaontsika roa
No hany sisa hampitony fo

FIV…

Ho sasatra eo ireo mikotaba
Mikasa ny hanimba sy handrava
Fa reko tsapako ato anaty
Ilay fitia tsy mety ho maty….

FIV…

Dô Rajohnson - Willah

Keywords & Tags