Skip to content

video not played or not found error
click on direct switch

Hosted by Dailymotion. For legal issues: Copyright Center · DMC · Instant Removal

Liva - Ry ampitso

â
♫ndr♫in♫

108 Views • Jan 25, 2012

Description

Ry ampitso…!
Romule

Ry ampitso mifono ny zava-tsy fantatra
Hivimbina sento sa fitserana ho ahy
Satriko ianao tsy hatao ankamantatra ééé
Fa ndrao mafy loatra ny vetsom-panahy.

Ry ampitso mitondra ny tsiambaratelo
Ambarambarao re fa aza anafenana
Hafaliana sa embona mamelovelo ?
No hokoboninao ambany elatrao

Ny tenako torovana ny fiainana eto
Ifampitoloman’ny andro sy ny alina
Ny saiko dia vizana mivetsovetso
Misedra ny faran’ny habaka lalina ôô
Eny ry ampitso natao ianteherana
Mba misy fetra ihany ve? itony fitserana.