ReePrime
Faniry RAELISON - Neny

Hosted by Dailymotion. For legal issues report at the Copyright Center, report us on DMC, or use the Instant Removal tool.

Faniry RAELISON - Neny

♫ndr♫in♫

371 Views • Sep 10, 2011

Description

Extrait "Coulisse" du 10/09/11 : http://blip.tv/tv-plus-madagascar/
NENY
Neny masoandro lalaina
Mpandrotsy ny sombin’ny aina
Nandritry ireo volana folo
I Neny no nanolokolo
Tsy nitaraina no malaina
Niharitra ireo havizanana
Nisotro ny rano tsy tiana
Niharitra ireo fahoriana
Nitrotro nibaby nitaiza
Nitondra ahy hatraiza hatraiza

Raha mitomany dia Neny
No mandrotsirotsy ao am-babeny
Omeko ny vali-babeny
Hajaiko ny teny nomeny
‘Reo hafa(tra) napetrany kosa
Ho toy vy ataoko tontosa

Neny masoandro lalaina
Mpandrotsy ny sombin’ny aina
Nandritry ireo volana folo
I Neny no nanolokolo
Tsy nitaraina no malaina
Niharitra ireo havizanana
Nisotro ny rano tsy tiana
Niharitra ireo fahoriana
Nitrotro nibaby nitaiza
Nitondra ahy hatraiza hatraiza